mardi 20 octobre 2020


 FANTARO ARY FA NY ANANAMBO DIA AHITANA IREO :

Vitamine A, C, B2,B6.

Proteine.

Magnésium.

FANTARO IREO VOKA-TSOA AZO AVY AMIN'NY FIHINANANA MORINGA, ANANAMBO, FELIMORONGO :

1)Mafampy betsaka amin'ny fiasan'ny fo.

2)Anti-oxydant.

3)Anti-inflammatoires.

4)Manampy betsaka amin'ny fiasan'ny saina.

5)Mampidina tahan'ny siramamy anatin'ny rà ary tsara ho an'ny Diabètique.

6)Mampidina tahan'ny Cholestérol ihany koa.

FOMBA FAMPIASANA AZY :

Atao laoka na rô na kabaka sady mety afangaro hena na patsa sns...Ary mety atao jus natoraly ihany koa.

 





MANASITRANA NY CALCUL RÉNAL ARY MITSABO NY REIN IHANY KOA


Zavatra ilaina:

ovy singany iray
silaka mananasy

Fikarakarana

Totoina amin'ny "Mixeur" miaraka ireo dia tsy ampiana rano fa amin'izao fotsiny.

Fihinanana azy

1 vera vao mifoha tsy mbola misakafo

Atao mandritra ny 3 andro tsy tapaka!
Ny Fomba fiasany Dia mivoaka manaraka ny pipi ilay vato !

dimanche 18 octobre 2020



VOANATSINDRANA na  Golden berries

Efa nihinana azy avokoa isika rehetra androany fantantsika hoe inona avy ny zava tsoa entiny :

1- Anti inflammatoire : indrindra hoan'ny olona marary vanin-taolana, manaintana ny vatana, misy hémorroïdes..

2- Anti-oxydant, anti cancer

3- Mampatanjaka ny taolana misy vitamine K

4- Mampatanjaka ny hery FIAROVANA misy vitamine C

5- Tsara hoan'ny maso misy vitamine A

6- Mampilamina tosi-dra

7- Mampilamina ny siramamy

 VOTSY

Misy votsy ve ianao sa misy namanao na havanao mety misy votsy? Tsy mifidy toerana izy fa misy azy avokoa fa ny tena fahita dia amin’ny tanana sy ny tongotra sy ny tarehy. Miteraka vetivety izy io ary tena manelongelina ny maso mahitsy.
Fantatro ary fa Virus izy io antsoina hoe Papilloma Virus Humain. Lazain’ny manam-pahaizana fa bénignes sy mifindra (contagieuses) izy io.
Indreto ary misy torohevitra hanampy anao hiady amin’ny votsy:

1. NY TONGOLO GASY

Fantaro fa ny tongolo gasy dia antibiôtika natoraly, antobactérien, antimycosique ary antiviral.
Noho izany dia manampy be amin’ny fanalana votsy izy.

Akora ilaina:

totona tongolo gasy, sparadrap

Fikarakarana:

rehefa voatoto ilay tongolo gasy dia osory ilay votsy ary fonosy sparadrap. Avelao eo mandritra ny alina. Ho hitanao fa hiala ho azy io votsy io. Atao mandritra ny 2 hatramin’ny 4 andro.

2. VOASARY MAKIRANA SY VINAIGITRA FOTSY

Voasana ny voasary makirana dia ny hodiny no alona amin’ny vinaigitra fotsy mandritra ny telo andro.
Alaivo ilay hoditr’ilay voasary makirana dia apetaho amin’ilay votsy.
Fonosy sparadrap dia ento matory mandritra ny alina.
Hiala ho azy ny votsy ny maraina na afaka 2 hatramin’ny 4 andro.

3. MENAKA KINANA NA HUILE DE RICIN

Asio menaka kinana ny votsy dia avelao eo mandritra ny alina.
Avereno ny ampitso alina sy ny afak’ampitso raha mbola tsy miala.
Manapotika ny votsy koa ny menaka kinana.

4. KARIBONETRA SY SIRA

Afangaroy ny sira sy karibônetra dia apetao amin’ny votsy amin’ny alina.
Fonosy sparadrap dia ento matory.
Ho hitanao fa hanjavona ny votsy




FOMBA TSOTRA NEFA MANDAITRA FAMONOANA IRENY KALALAO NA CAFARDS IRENY. 

ZAVATRA_ILAINA : 

 2 Sotrokely Kafe Karbonetra. 
 2 Sotrokely Kafe Siramamy.

FIKARAKARANA_AZY :

 Karibonetra 2 Sotrokely Kafe 
 Siramamy 2 Sotrokely Kafe 
Ampifangarohana  tsara izay vao azo ampiasaina.

FAMPIASANA_AZY : 

Araraka eny an-dakozia, amin'ny armoire eny amin'ny toerana ahitana azy ireo toy ny toerana mafana sy ny zavatra vita amin'ny kesika.

Tsy maintsy maty ireo Kalalao na Cafards izay mihinana ny fanafody natoraly ity.


Na Koa 


Akora ilaina

Ranon-tsavony fanasana loha

Vinaingitra

Menaka azo avy amin’ny zava-maniry

 

Fikarakarana

Afangaro ireo akora 3 ireo.

Rehefa mifangaro tsara dia alefa ao anaty tavoahangy plastika fanaovana an’ireny tsifitsifitra ireny

Tsifirina manerana ny efitrano rehetra izany, indrindra fa ireo ahiana ho lalovan’ny kadradraka.

Tsy misy atahorana mihitsy moa ity akora ity na atao ao amin’ny efitra fatoriana aza.


VOKATSOA HOENTIN'NY VOANA PAPAY:

 - MIARO NY VOA

Ny fihinanana ny voana papay dia manampy amin'ny fisorohana ireo mety ho aretin'ny voa, toy ny INSUFFISANCE RENALE. Afaka hitsaboana azy koa anefa raha sanatria ka efa voa. Hoan'ity tranga ity dia voalaza fa afaka mitsako voana papay miisa fito (7) isanandro, tsakoina tsirairay ka 7 paharivan'ny andro ary atelina .

 - MANADIO NY ATY:

 Taova isany manandanja indrindra amin'ny vatan'ny olombelona ny aty. Izy mantsy no manadio ny loto(toxines) rehetra mba hialana amin'ny aretina maro(mauvais gras,triglycéride, glycemie, allergies,asthme, sns....). Rehefa tsy manao ny asany tsara intsony ny aty vokatry ny hamaroan'ny loto(toxines) tafiditra ao amin'ny vatana dia tsy mahavita ny asany intsony ka mila diovina sy velomina(regéneré) indray. Raha olona voan'ny CIRRHOSE HÉPATIQUE, STEATOSE HEPATIQUE ohatra dia mitoto voana papay miisa dimy (5) ary afangaro amin'ny ranona voasarimakirana iray sotrokely.Sotroina indroa isan 'andro mandritry ny iray volana.

 - TSARA HOAN'NY FAHASALAMAN'NY TSINAY:

 Hamainina ny voana papay miisa 30 dia totoina ary Ampangotrahina amin'ny rano 1/2 litatra mandritry ny 10 mn ary mamina amin'ny tantely iray (1) sotro fihinanana dia sotroina intelo isan'andro mandritry ny 10 andro

. - MIARO NY TAOVAM - PANDEVONAN-KANINA

Mitsako voana papay miisa fito(7) intelo isan'andro mandritry ny dimy(5) andro.

mercredi 15 juillet 2020




Ireto avy indray no afaka hanasitranana ny Sinusite !

1- SAKAMALAHO 


         Totoina dia ny  ranony iny atao goutte 3 isaky ny lavak'orona indroa isanandro

2- KINININA FOTSY  na KININIMPOTSY

     Maka raviny 3 dia apangotrahina 10mn  miaraka amin'ny rano 150ml 
     Sotroina indroa isanandro
    ilay raviny mbola afaka ampangotrahina dia atao evoka

3- TONGOLO BE na OINION

    
    Totoina de apangotrahina 5mn
    Atao evoka
    Aveo sotroina 
    Afaka atao goutte ihany koa

4- VINAInGITRA PAOMA na VINAIGRE DE CIDRE


     Sotroina 1sotro kely atao intelo (3) insanandro  
     NA afangaro amin'ny TANTELY 1 sotro koa ny vinaigre paoma 2 sotro dia sotroina 3/jour

5-VOALOBOKA 


    Hoanina isanandro ra misy

6- TONGOLO GASY 


      Maka hasiny na sigana tongolo gasy 3 apangotrahina am rano 1 kopy
      Afaka asina tamotamo 1/2sotro ra misy dia sotroina isanandro
      Hoanina manta koa ny tongolo gasy no tena tsara fa maha maimbo vava

7- RANO SY SIRA 


      Afangaro amin'ny  rano matimaty dia trohana amin'ny orona dia ahisina avy eo hanadio ny ati-orona atao indroa (2) isanandro

8- RADIS (manala mycose)


      Tsakoina,alona anaty vava
      Na atao evoka ihany koa

9- NY FANDROANA AMINNNY RANO MAFANA IN-2/JOUR


10- MAKA LAMBA MADIO ALONA ANATY RANO MAMAY DIA APETAKA EO AO FARITRY NY ORONA 15mn atao matetika


11- RANOTSIRASY KARIBONETRA

      
       Rano 1kopy
      Sira 1/2sotrokely
      Karibonetra indray mitsongo
      Trohana dia ahisina atao in3/jour

12- Ny SOLILA 
(menthe) na THYM

       Atao evoka mandritra ny 3jour, ary atao in 2 isanandro

13- HYDROTHERAPIE PAR CONTRASTE (peta-gilasy moa zany)

        Alaina ny compresse mafana de apetaka eo am faritry ny orona 3mn
        Avy eo indray alaina ny compresse mangatsiaka de apetaka 1mn
        Dia ampifandimbiasina izay de atao in3/jour

14- GERANIUM (voninkazo io fa tsy haiko ny anarany amin'ny teny gasy)

          Atao evoka

15- CAYENNE (sakay lava io masiaka) 

        Maka 1sotro dia afangaro amin'ny rano 1kaopy raha  misy dia asiana dia sotroina 3/jour

16- ZAKARANDA

        Atao evoka na fohana amin'ny orona

17- RAVINA VOATABIA

        Totoina de atao goutte ny ranony

18- KAPILA(tafo) 


        Dorana miaraka amin'ny siramamy dia fohana amin'ny orona ny setroka

19- NY RANO


        Tena ilaina ny fisotroana rano 1litatra sy tapany isanandro

20- Ny sakafo misy VITAMINE A


       Ary ny fihinana tongolo gasy, poivre, sakay, tongolo be dia manasitrana ny sinusite ihany koa
Raha tsy voatsabo tsara ny Sinusite dia lasa aretina mitaiza, miverimberina



Ny rà dia mety ho "contaminé" amin'ny antony maro:
Amin'ny fidiran'ny poizina nohon'ny tsy fahatomombanan'ny taova mpanadio: "les reins", "le foie", ...
- Amin'ny alalan'ny sakafo be menaka loatra, misy poizina, be loto, ...
Rehefa tafiditra ao amin'ny vatana ny poizina sy ny fitambaran'ny loto dia miafara any amin'ny rà raha tsy voadio dia mety hampidi-doza.

ZAVATRA ILAINA:

- Persil fatorany iray (1) (un bouquet de persil)
- Vero manitra fatorany kely iray (1) (un bouquet de citronnelle)
- Citron maintso (mbola manta) roa (2)
- Rano roa (2) litatra

FIKARAKARANA AZY:

- Sasana madio tsara ny persil
- Sasana madio tsara ny vero manitra
- Silahana roa ny citron
- Mampangotraka rano roa litatra 2L
- Arotsaka ao anaty vilia jobo lehibe ny rano mangotraka, ny persil, ny citron, ny vero manitra.
- Avela hilona  ao mandritra ny 10 minitra (izany hoe tsy eo ambony afo intsony)
-Esorina ireo fangaro ka ny ranony sisa alaina

FIHINANANA AZY

- Misotro iray kopy (une tasse) ny maraina sy hariva alohan'ny misakafo

FANAMARIHANA

- Ho an'izay handio rà fotsiny dia mandritra ny herinandro iray no faharetan'ny  "traitement"
 ary misotro iray kopy ny maraina sy hariva alohan'ny sakafo

- Ho an'izay te hanena vatana sy hanala kibo be dia mandritra ny roa 2 herin'andro ny faharetany 
ary misotro iray kopy ny maraina sy atoandro ary ny hariva alohan'ny sakafo.

Raha nahasoa anao izany dia #Zarao fa mahasoa ny hafa koa...

Nalaina tao amin'ny page
© Nomenjanahary Lalaina (Ilay voa tsara nafafy Association) 11/08/2019 laharana faha 8521


samedi 30 novembre 2019


FANAFODY MANASITRANA NY ARETIN'NY #PROSTATE AMIN'NY FOMBA TSOTRA ARY NATORALY.
Anisan'ny fikorotanana amin'ny aretin'ny prostate, ny tsy fahafahana mipipy 

Zavatra ilaina
Ny ravina papay izay nanary ny tenany ary latsaka tamin'ny tany.
NB: Aza maka ny ravina papay izay mbola eny ambony ianao fa izay efa latsaka ho azy ety amin'ny tany no tsimponina: Satria tsy mandaitra izany!
Fikarakarana azy
    Ho an'ny ravina papay antonony 10 isa.
    Sasao izany. Ataovy ao anaty vilany izy ireo 
    Arotsaka amin'izay ny rano madio 03 litatra.
    Ampangotrahina mandritry ny 10 minitra
Avelao hangatsiaka.
Fihinanana azy
Ampisotroina iray vera ny marary amin'ny maraina, misotro iray vera amin'ny mitataovovonana ary misotro iray vera ny hariva.
Fisehony
Hipipy izy ao anatin'ny ora manaraka na afaka fotoana fohy ao anatin'ny 48 ora arakaraka ny hamafin'ny aretina.
Raha ilaina ny fampitomboana ny fatra arakaraka ny fihombon'ny aretina nefa aza mihoatra ny 6 vera isan'andro
Mirary fanasitranana tsara ary hahazo fitahiana be dia be.
Ny #Fizaranao faobe @Groupe misy anao ato @Facebook ity toro-hevitra ara-pahasalamana ity dia feno fitiavana fanetren-tena lehibe indrindra ary mety hahavonjy aina maro dia maro.
Partage: Nomenjanahary Lalaina (Ilay voa tsara nafafy Association) 26/09/2019 laharana faha 8769



Fantatrao ve hoe mahasitrana aretina maro dia maro ireo voan'ny papaye arianao isaky ny mihetsika ireo?

Ny soa azo avy @ vonina-papay
Aza arina intsony ny voa-papay ilay maintimainty ao anatiny io fa fanafody

1) Mahasalama ny voa ary misoroka ny aretin'ny voa.

     maka voan-papay 7 dia tsakoina impito isan'andro 
    izany hoe 1 isaky ny mihinana fa taperina io 7 io dia tsakoina izay vao atelina.

2) Mahatsara ny aty sy manadio ny aty.

     maka voany 5 dia asina citron 1 sotro ary afangaro dia atao maraina sy hariva.
     izany hoe 10 isan'andro izany dia io ny fatrany mandritran'ny 1 volana

3) Mahatsara ny tsinay. 

     Hamainina ny voany eto dia totoina.
     maka 1 sotro fihinana 
     ampangotrahana @ rano tapaky ny litatra
     tatavanina dia asiana tantely 3 sotro
     afangaro ka misotro 2 sotro isan'andro mandrapahalaniny io .

4) Manala ny fanaintainana ary miaro ny mikraoba tsy hiditra @ vatana               mitsako voniny 7 ka atao intelo isanandro (21 isa zany) atao in3 isakerinandro dia atao mandritra ny 1 volana.

5) Manala ny tavy sy ny mamy ary manampy betsaka ny olona te hanena vatana 
      mihinana voniny 12 isa vao mifoha (tsakoina )dia sady misotro dité pamplemousse
       mandritran'ny 15jrs dia ajanona 15jours dia tohizana ary ajanona rehefa mahazo lanja izay tinao)
6) Mampihena vatana ihany koa
      maka voniny 12 isa totoina dia maka jus azo avy @ pamplemousse hitelemana azy .Atao mandritran'ny 1mois .ajanona rehefa tonga ny lanja tinao.👈



MANASITRANA NY CALCUL RÉNAL ARY MITSABO NY REIN IHANY KOA 👌

Zavatra ilaina
Ovy iray 
Mananasy 1 voatetika
Fanomanana azy
Mixena miaraka ireo dia misotro tsy mampiasa rano!
Fampiasana azy
1 vera maraina tsy mbola misakafo!
Atao mandritra ny 3 andro tsy tapaka!
Ny fomba fiasany : mivoaka manaraka ny pipi ilay vato !
Nalaina ary zaraina tao amin'ny👌👪💋
GROUPE  TOROHEVITRA ARA-PAHASALAMANA  (www.facebook.com/groups/torohevitramombanyvehivavy/ 💃)


jeudi 20 juin 2019

Tamotamo + sakamalaho + lait de coco
Ireto avy no sitrany:
-Ny aty
-Ny diabètes
-Misoroka ny cancer rehetra
-Misoroka ny AVC sy palpitations (kitaitaitra midobodoboka FO)
-Mampatanjaka nerf
-Manadio lalan- dra
-Antibiotiques sy anti corps mba tsy ho mora -handairan ny sery,kohaka
-Amin izao andro mivadibadika izao ,dia tsara ny manao azy ,thé
Toy izao ny fatrany:
-Tamotamo 1 sotrokely
-Sakamalaho 1 sotrokely( voatoto) na tapahina manify 5 isa
-rano tapakin ny litres-demi litre d'eau
-Avela hangotraka be 10mn ireo ny rano ny sakamalaho ary ny tamotamo, Avy eo tatavanina dia arotsaka ny lait de coco 1sotrokely
-1 tasy na kopy ( thé ) isakin ny alina , 7andro misesy ,avy eo in 1 isam bolana tsy mijanona (a vie) ,isaky ny handeh hatory mihintsy zany hoe avy misakafo
Ny lait de coco dia misy efa vita en boite (grande surface feno)
Misy ilay coco mihintsy no mixerna miaraka amin ilay ranony iny dia mivoaka fotsifotsy be
azonao ampiana tantely 1 sotro fihinana fa vao maika tena tsara na siramamy mena 1sotrokely
-tehirizina anaty tavohangy tsy plastique atao amin'ny toerana mangatsiaka fotsiny dia efa mety,tsy mety ho an'ny bevoka sy ny mampinono
#Conseil_et_partage
nalaina tao amin'ny pejy fb conseil et partage https://www.facebook.com/astuceetconseil/
• NY VOAMADILO
Ny soa azo avy amin'ny voamadilo na kily no hambara eto. Ho zaraiko roa ny famoahana ka ny tapany voalohany dia ny voamadilo sy ny fikojana ny endrika amam-bika, ny faharoa kosa ny voamadilo sy ny tombotsoa entiny amin'ny fahasalamana.
Fantaro ary fa ahitana otrikaina maro ny voamadilo, misy vitamina A sy C, ahitana carotène, potasioma, manezioma, antioxydant koa izy.
Ireto misy fikarakarana vitsivitsy azo atao:
👉 Manazava hoditra tahaka ny voasarimakirana izy noho vitamina C ananany io. Maka voamadilo 30 g efa nofony tsisy ilay voany intsony, asa eraky ny sotro lehibe ohatra, asio rano 150 ml ( eraky ny pot na yaourt mihoatra kely), avelao hilona 15'. Afangaroy amin'ny vovoka tamotamo antsasaky ny sotro na mixena koa mety. Hosory an'io fangaro io ny tarehy na ny hoditra tiana hazavazava. Ajanony eo mandritra ny 15'. Kobano amin'ny rano matimaty avy eo. Io dia ho an'ny hoditra matavy. Ataovy indroa isan-kerinandro
👉 Azo atao karazana gommage izy, manala ny sela efa maty satria ahitana acide alpha hydroxyde izy (AHA). Maka voamadilo 1 sotro lehibe + vovon-tsira kely + yaourt 1 sotro lehibe raha hoditra matavy fa crème de lait raha maina. Afangaro ireo, hosorana amin'ny tarehy somary atao boribory mandritra ny 5-7'. Kobanina amin'ny rano matimaty hatrany avy eo.
👉 Manala tasy ny voamadilo. Manao ranony fotsiny dia iny no hosorana amin'ny tasy tiana hiala. Raha misy mony kosa dia voamadilo + tamotamo + yaourt. Avela hilona kely amin'ny tarehy, kobano, asio crème hydratante raha hoditra matavy
👉 Mampijanona ny fihintsanam-bolo koa izy. Maka voamadilo, asio rano dia avelao 10'. Iny no ahosotra ny hodi-doha sy ny tahom-bolo manontolo. Lemo rano mafana ny servieta, saromy an'iny ny loha mandritra ny 30'. Izay vao manasa loha toy ny mahazatra. Avereno indroa isan-kerinandro.

Fitsaboana natoraly:kiste, fibrome, aty,tsinay,vavony,hémorroïdes, fanintona

Alaina ilay mavomavo otran ny fingotra anatin aranan' akoho gasy(akoho gasy ihany)

Diovina,avela ho maina amin'ny masoandro

Totoana ho lasa poudre
Lomana anaty rano tapakin very (rano mafana matimaty)
Avela hilona 10mn dia sotroina,
vao mifoha maraina mbola tsy misakafo no hisotroana azy ary 30mn aoriana izay vao misakafo, Sotroy hatramin'ny faikany
Indray mandeha ihany tsy averina io fitsaboana natoraly io no atao

akoho gasy na lahy na vavy, poulet fermier ho an'izay aty andafy,
aranany iray de ampy, mety ho an'ny olona kely na lehibe
 TSY METY amin'ny bevohoka sy mampinono
Mirary soa dia mahità fahasalamana tompoko

lundi 16 juillet 2018



1- Ny fihinanana la soupe ariva be loatra dia mampitombo ny fiforonananan'ny homamiadana vavony
2- Fadio ny mihinana Atody mihoatra ny 4 ao anatin'ny herinandro
3- Aza atao mahazatra ny mihinana voankazo ahorian Sakafo , ny tena tsara dia alohan sakafo
4- Aza misotro thé na dite mandritra ny fadim-bolana
5- Mihinàna Ronono Soja tsy asiana Siramamy na atody fa mahasalama
6- Aza mihinana Voatabia rehefa tsisy na inona na inona ao anaty kibo
7- Rano iray vera isaky ny maraina alohan'ny hisakafo  miaro ny fiforonananan'ny vato
8- Adiny 3 alohan'ny hatory no misakafo
9- Fadio ny mametraka "téléphone" na fitaovana "électronique" mi-charge eo akaikinao rehefa matory
10- Rano 10 vera isanandro dia miaro amin'ny fiforonananan'ny homamiadana
Tsy atao indray migoka fa sotroina mandritra ny tontolo andro

11- Misotro rano betsaka amin'ny andro , ahena kosa ny rano sotroina amin'ny alina
12- Aza misotro kafe mihoatra ny 2 vera isanandro fa miteraka tsy fahita-tory
13- Aorian'ny amin'ny 5 ora hariva  dia aza mihinana sakafo bé loatra , tsy manao voky loatra
14- Ireo sakafo 6 mahasoa anao isanandro : 
       Akondro , mofo dipaina , paiso , "pamplemousses" ," épinard" , voatavo
15- Matory latsaky ny 8h dia mety hiteraka fikorinan'ny ati-doha
16- Vomanga miloko jaune sy miloko Violet dia miaro ny fiforonananan'ny homamiadana

17-"Citron" na voasary makirana 
Misotro rano mafana miaraka amin'ny voasary makirana dia miaro ny fiforonananan'ny homamiadana . 
Tsy asiana Siramamy . 
Ny rano mafana miaraka amin'ny voasary makirana dia tsara kokoa nohon'ny rano mangatsika misy voasary makirana
Rano mafana miaraka amin'ny voasary makirana dia mahasalama no maha ela velona
Rano mafana miaraka amin'ny voasary makirana dia mamono ny sela mitondra homamiadana
Rano mangatsika misy voasary makirana dia misy Vitamine C fotsiny , fa tsy miaro amin'ny homamiadana
Ny voasary makirana dia Mampikorina ny rà

KINONONONO na Jean Robert

Manala sy mandevona ny Kista ao amin'ny tranon-jaza

Manasitrana ny "perte" mandeha ao amin'ny vehivavy

Manadio ary koa mamono ireo otrik'aretina ao amin'ny tranon-jaza

Fanafody manasitrana ireo otrik'aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo

Antibiotika haingampiasa tokoa 

Tsy afangaro amin'ny Fanafody avy amin'ny Dokotera na Farmasia

Fikarakarana azy:

Fehezany 2 tenehina amin'ny rano 2 litatra

Io 2 litatra no sotroina mandritra ny 3 andro

Ny "Jean Robert" mena dia  fanafody mivalandrà


Nalaina tao amin'ny pejy Facebook Zavamaniry Fanao Fanafody


Toerana ahitana azy:

Toerana mandomando toy ny tanin'anana

Mpivarotra Tapakazo fanao tambavy

Na eny anjaridaina 

NB:

HAJANONA NY FANAFODIN NY DOKOTERA RAHA VAO MAMPIASA AZY

mercredi 7 décembre 2016

Ny vokatsoa azo avy amin'ny "navet"


  • Manankarena "vitamine C" tokoa ny raviny,ary tsara ho an'ny olona tsy ampy vitamina 

  • Be otrik'aina

Tsara  ho an'ny olona tsy ampy rà


Mahatsara ny fandevon-kanina sy ny tsinay


Miaro amin'ny homamiadana indrindra ny homamiadan'ny vavony


Manasitrana kohoka haingana be sy ny tenda mangetana


  • Alona amin'ny siramamy
  • Sotroina maraina,antoandro,hariva .


Tsara ho an'ny olona mikohaka tsy mijanona sy marary tratra.


  • "Navet" sahabo 200g
  • Sasana madio tsara,
  • Voasana,tetehina ary 
  • Ampagotrahina amin'ny rano atsasa litatra mandritra ny 10mn
  • Avela mangatsiaka ,
  • Sotroina avy hatrany 


Mety ho an'ny olona manahia tena ihany koa, satria manala tavy ao anaty.



  • Mahafaka ireny fery amin'ny vatana vokatry ny kaikitry ny bibikely ireny
  • Maka navet,
  • Sasana tsara
  • Tetehina 
  • Lomana vinaingitra mandritra ny 6 ora
  • Ary hoanina avy hatrany.



Sélection du message

Ananambo sy ny vokatsoa azo avy aminy

  FANTARO ARY FA NY ANANAMBO DIA AHITANA IREO : Vitamine A, C, B2,B6. Proteine. Magnésium. FANTARO IREO VOKA-TSOA AZO AVY AMIN'NY FIHINA...

Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)