jeudi 20 juin 2019

• NY VOAMADILO
Ny soa azo avy amin'ny voamadilo na kily no hambara eto. Ho zaraiko roa ny famoahana ka ny tapany voalohany dia ny voamadilo sy ny fikojana ny endrika amam-bika, ny faharoa kosa ny voamadilo sy ny tombotsoa entiny amin'ny fahasalamana.
Fantaro ary fa ahitana otrikaina maro ny voamadilo, misy vitamina A sy C, ahitana carotène, potasioma, manezioma, antioxydant koa izy.
Ireto misy fikarakarana vitsivitsy azo atao:
👉 Manazava hoditra tahaka ny voasarimakirana izy noho vitamina C ananany io. Maka voamadilo 30 g efa nofony tsisy ilay voany intsony, asa eraky ny sotro lehibe ohatra, asio rano 150 ml ( eraky ny pot na yaourt mihoatra kely), avelao hilona 15'. Afangaroy amin'ny vovoka tamotamo antsasaky ny sotro na mixena koa mety. Hosory an'io fangaro io ny tarehy na ny hoditra tiana hazavazava. Ajanony eo mandritra ny 15'. Kobano amin'ny rano matimaty avy eo. Io dia ho an'ny hoditra matavy. Ataovy indroa isan-kerinandro
👉 Azo atao karazana gommage izy, manala ny sela efa maty satria ahitana acide alpha hydroxyde izy (AHA). Maka voamadilo 1 sotro lehibe + vovon-tsira kely + yaourt 1 sotro lehibe raha hoditra matavy fa crème de lait raha maina. Afangaro ireo, hosorana amin'ny tarehy somary atao boribory mandritra ny 5-7'. Kobanina amin'ny rano matimaty hatrany avy eo.
👉 Manala tasy ny voamadilo. Manao ranony fotsiny dia iny no hosorana amin'ny tasy tiana hiala. Raha misy mony kosa dia voamadilo + tamotamo + yaourt. Avela hilona kely amin'ny tarehy, kobano, asio crème hydratante raha hoditra matavy
👉 Mampijanona ny fihintsanam-bolo koa izy. Maka voamadilo, asio rano dia avelao 10'. Iny no ahosotra ny hodi-doha sy ny tahom-bolo manontolo. Lemo rano mafana ny servieta, saromy an'iny ny loha mandritra ny 30'. Izay vao manasa loha toy ny mahazatra. Avereno indroa isan-kerinandro.

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire

Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)