mercredi 30 novembre 2016

Aretim-po


Alaina  rano 1 vera

Voasana ny akondro

Lomana anatin'ilay rano mandritra ny alina tontolo

Sotroina maraina vao mifoha mbola tsy nisakafo

Tohizana mandritra ny 7 andro




Palpitation


Rehefa tonga  ilay "palpitation"  dia lemo @ rano mangatsika na "eau glacé" ny tarehy dia hiala ilay

izany.

Ary aza mihinana zavatra manaitaitra : sakay , kafe , alikaola, zava-pisotro misy gazy

Manala rano amin'ny Fo


Alaina ny ravina laisoa

Sasana madio tsara

Apetaka amin'ny lamosina mifanandrify ny fo ny alina

Izany hoe bandina mba tsy hietsika amin'ny toerana hafa


Fomba hafa mety hikarakarana ny vavony


- Tongolo be na "Oignon", SIRAMAMY.



  • Kikisana ny tongolo be 2
  • Rarahana siramamy 3 sotro lehibe
  • Ohanina 10 minitra mialoha ny sakafo maraina atoandro hariva


- Tongolo be andrahoana.



  • Tetehina ny tongolo be 3
  • Arotsaka anaty rano efa mangotraka fahefatriny litatra.
  • Apangatsiahina
  • Sotroina mialoha ny sakafo ihany koa


-Ravina Papay 



  • Ampangotrahina ny rano 1 litatra
  • Maka ravina Papay singany iray
  • Arotsaka amin'ilay rano mangotraka ny ravina papay 
  • Avela hilona kely ao
  • Ampangatsiahina
  • Misotro atsasakiny vera 15 min alohany sakafo (maraina -atoandro -hariva)


- Laisoa sy karaoty



  • Tontoina ny laisoa manta
  • Fihazana
  • Atao toy izany koa ny karaoty
  • 1 Véra ny fitambarany
  • Sotroina 15 minitra alohany sakafo
Mora hita avokoa ireo rehetra ireo eto antananarivo

Mahabibo



Mampihemotra "Hemorïde"  ary manala fanaintainana

Ao anatin'n fotoana fohy 1 na 2 andro monja

Fomba fampiasa azy tsotra : atao any ampaosy

Tsy fantatra mazava moa izay fomba fiasany sy ny fanazavana izany fa dia maro ny olona nanao izany ary sitrany.

Toerana ahitana: Mahajanga, mety hahita ihany ao amin'ny "pavillon" analakely na "petite vitesse"

Afaka ohaninao ny mahabibo satria dia sakafo anisany tsara ihany koa izy io.

Tsirony mitovitovy amin'ny voanjo




Tongolo gasy na Tongolo lay

Voasana ny tongolo gasy

Somary totoina kely amin'izay fomba hitanao fa mety hitotoana azy

Apetaka ohatra ny "pansement ao amin'ny lavatay"

Avela eo amin'ny 15- 20 minitra

Maharary izy fa mila miaritra kely

Toerana ahitana : tsena rehetra


mardi 29 novembre 2016


NY INFECTION VAGINALE

Anisan'ny aretina mpahazo ny vehivavy izy ity, misy tsiranoka, na perte mivoka avy amin'ny fivaviana, mety hangidihidy, ary raha tsy mandinika ny lehilahy dia mety hiady, mety hieritreritra mihitsy aza hoe sao dia maditra, na mapirafy ny vadiko, aoka anefa ho fantatsika fa azo avy aminy rano isasan'ny vehivavy izy io, zany hoe rano anasana fivaviana. 


AHOANA ARY NY HITSABOANA AZY?


1)-Tongolo gasy na tongolo lay


  • Ampangotrahina ny rano 1litre
  • Arotsaka ao ny tongolo gasy voatoto 1 tanana ila
  • Ampiana sira 1sotro lehibe
  • Tetehina 
  • Avela ho matimaty.
  • Atao rano hidiovana (tsy tampohina rano intsony)



2)-THYM,ROMARIN


  • Ampangotrahina ny rano 1litatra 
  • Asiana ravina romarin sy thym tahony 2
  • Avela hivadibadika
  • Hidiovana rehefa matimaty (tsy tapohina rano intsony)
  • Ilaina hatrany ny fihinana tongolo gasy mandritra ny 10andro hitsaboana.
Misafidy iray amin'ireo fomba roa ireo,
Raha tena mamofona le perte dia mividiana "ovule flagyl" eny amin'ny Farmasia ka ampidirina amin'ny ratsantanana any amin faran'ny fivaviana 1 maraina ary 1 ariva entina matory.


Ho tanteraka aminao anie ilay ao aminy Jaona toko 3 and 2 manao hoe :MANGATAKA AMIN'ANDRIAMANITRA AHO ,RAHAVAKO MBA HAMBININA AMINY ZAVATRA REHETRA IANAO ARY MBA HO SALAMA TSARA,TAHAKA IZAY ANAMBINANA ANAO ARA PANAHY .AMEN

Nalaina tao amin'ny "Groupe Facebook Fitsaboana ady gasy sy dokotera"
Nandefa: Vetso Midot Razafimaroson

Ny " ARTEMISIA ANNUA", na ZAHANA na SARIJAMALA na RONGONIM-BAZAHA dia zavamaniry manasitrana tanteraka ny " paludisme" indrindra ireo miseho amin'ny endrika tena sarotra sy mafy tsaboina toy ny " plasmodium falciparum ".

Tsy izay ihany anefa no sitran'ny "Artemisia annua " fa ny homamiadana (cancer ) dia tena sitrany tanteraka satria ny fampiarahana azy amin'ny " Fer " dia mamono ny 98% ny sela marary " cellules cancéreuses" ao anatin'ny 48h monja. 
 Ranon'anandrano na laitue 1/8 ny vera no akàna ilay "Fer"

FOMBA FAMPIASA AZY


 " PALUDISME " : 

Amin'ny fotoana hisian'ny fanaviana dia:

Atao tambavy :
  • Ampangotrahina ny rano 1l arotsaka ny raviny maina eo amin'ny 10 grama eo  
  • Avela hitanika kelikely 
  • Atao rano fisotro tontolo andro mandritra ny 5 andro. zany hoe [ 1l/jr x 5jrs]


HOMAMIADANA " CANCER "


Anisany tena sitran'izy ity ny homamiadan'ny avokavoka, nono, vavony ankoatran'ireo hafa tsy voalaza eto.
Tsy miova fa araka ny voalaza:

Mampangotraka rano 1/2l 

  • Esorina eo am-patana ary asiana raviny aman-tahony 10sm
  • Saromana tsara ( infusion)
  • Avela hangatsiaka  
  • Atao izay ahazoana ranon'anandrano na laitue 1/8 ny vera ary ampiarahina aminy
  • Sotroina 45min alohan'ny sakafo maraina


Asa raha efa misy " gélule " izy io eto amintsika ( homeopharma) fa raha misy dia
toy izao no fihinana azy:

- 1 " gélule à 500 mg " maraina sy hariva samy 15 minitra  alohan'ny sakafo ireo
+ pilina vy mora levonina " FER ASSIMILABLE "(tsy maintsy ampiarahana ireo ) fa anao ny safidy :
na: * FERALIM – 1 dose 15 minitra  alohan'ny sakafo
na: * FUMAFER " boite de 100"– 3 pilina
na: * FER OLIGO – 1 sarony "bouchon doseur " ohanina vao mifoha aha- mora ny fandevonana azy.
> Samy vidiana eny amin'ny farmasia ireo ( safidy hoy aho fa tsy izy 3 ireo akory indray vidiana daholo a! :) )

>>> Raha tsy mahavita ilay ranona anandrano dia afaka hitelomana ny pilina amin'ny fotoanany ny tambavy
Faharetan'ny fitsaboana dia tsara ny manao fitiliana ao aorinan'ny herin'andro nitsaboana.
Hoan'ireo efa misy fery ivelany dia diovy amin'ny ditina vahona matetika ny fery , in-3 farafahakeliny na koa diovina amin'ny ranom-bolafotsy " argent colloïdale" .
Izay ary no azoko zaraina fa dia mirary soa sy fahasitranana hoan'ny marary e! :)





Torohay nalaina tao amin'ny "Groupe Facebook :Fitsaboana ady gasy sy dokotera"
Nandefa: Marynah Tsimatyh                                                                                                                                                                                                                                               


Aretin'ny Voa


Zavatra ilaina: Fakany + Loha-mpary fotsy Sahabo 250g + Rano 4 litatra 
Tanehina ka vao mangotraka dia esorina
Avela hangatsiaka
Afaka tehirizina
Sotroina mandrapa-lany.
Rehefa mipipy dia manaraka hita mihitsy ilay Vovo-bato( mamany amin'ny pô )

Toro hay nalaina tao amin'ny vondrona "Facebook" Torolalana momba ny Fahasalamana
 Nandefa: Njarahery Rija Ramampiandra

1- Tamotamo vongany

sary nindramina


Alaina ny Tamotamo manta 

kikisana

Ohanina iray sotrokely amin'izy tena maharary manaikitra  iny.

Toerana ahitana azy: Petite vitesse, tsenan'ny tantsaha

Tsirony : ratsy fa mila miaritra 

Azo tehirizina ny ambiny tsy voakiky mandrapahitanao azy fa efa tsy mety ampiasaina intsony
Azo Ampiasao amin'ny sakafo izay ambiny 


2- Raketa

sary fort-dauphin.org


Alaina ny Raketa ilay mitapelaka fa tsy ilay voany 

Silahina amin'ny antsy hizara roa

Kaofina amin'ny sotro ilay ranony madity 

Atelina avy hatrany tsy asiana fangarony 

Laniana io mandra-pahalaniny izay ranony azo eo

Toearana ahitana: betsaka mamboly ary mora volena 

Tsirony: ratsy, matsaboka mitovitovy amin'ny paozina tapotsin'atody

Tsy mety tehirizina

Atao indray mandeha na isaky izay mampazoto.



3- Papay manta ( maitso )


Alaina ny Papay maitso dia kikisana amin'ny "rappe" atao ohatran'ny manao  lasary karaoty

Asiana sira sy vinaingitra, afaka ampiarahina amin'ny zavatra masira toy ny masikita na ihinana vary

Toerana ahitana: Betsaka mamboly fa mitady amin'ny havana na namana satria tsy misy mivarotra azy manta

Tsirony: tsara

Raha manaikitra na misy rivotra ny kibo dia afaka ihinanana papay masaka (mavo) na jus papay fa hivoaka ny rivotra ao anaty.

Mahatsara ny papay na ohanina amin'izao aza mahereza mihinana betsaka. 


sary nindramina


4- Sakay Pilo kely ( tsy azo atao sakay hafa)

Maka sakay pilo kely maitso voany 7

Izy tsy mivaky iny no atelina toy ny mihinana "nivaquine" izany hoe arahina rano fotsiny fa tsy tsakoina

Vao maraina no tsara anaovana azy

indray mandeha ihany manao azy dia ampy

Tsirony: tsy masiaka raha atelina amin'izao

Toerana ahitana: Tsenan'ny tantsaha mivarotra legioma

5- Ovy manta

Maka ovy manta 

Sasàna tsara ary voasana

Kisisana amin'ny "rappe" na potehina amin'ny "mixer" asiana rano kely

Avela hipetraka 30 min amin'ny lovia madio

Alaina ilay zavatra madity be miraikitra amin'ny vody vilia dia ohanina 

Maraina mbola tsy misakafo no tsara anaovana azy

Tsirony: ratsy, somary sarotra atelina

Toerana ahitana: tsenan'ny tantsaha

6- Ranovisy 

Sotroina  fotsiny rehefa tsy mahalevokanina na sendra manaikitra na koa rehefa mahita.

Tsirony: matsaboka

Toerana ahitana: Epicerie, raha ny natoraly dia any Antsirabe

Afaka atao koa anefa ny manamboatra tsotsotra: Rano iray vera + karibonetra iray tsongo


Marihina fa torohevitra nangonina ireo fa tsy hoe natao hitsaboana aretina efa gravy, tsara manatona hopitaly raha tena efa aretina ratsy.













Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)