mardi 20 octobre 2020


 FANTARO ARY FA NY ANANAMBO DIA AHITANA IREO :

Vitamine A, C, B2,B6.

Proteine.

Magnésium.

FANTARO IREO VOKA-TSOA AZO AVY AMIN'NY FIHINANANA MORINGA, ANANAMBO, FELIMORONGO :

1)Mafampy betsaka amin'ny fiasan'ny fo.

2)Anti-oxydant.

3)Anti-inflammatoires.

4)Manampy betsaka amin'ny fiasan'ny saina.

5)Mampidina tahan'ny siramamy anatin'ny rà ary tsara ho an'ny Diabètique.

6)Mampidina tahan'ny Cholestérol ihany koa.

FOMBA FAMPIASANA AZY :

Atao laoka na rô na kabaka sady mety afangaro hena na patsa sns...Ary mety atao jus natoraly ihany koa.

 





MANASITRANA NY CALCUL RÉNAL ARY MITSABO NY REIN IHANY KOA


Zavatra ilaina:

ovy singany iray
silaka mananasy

Fikarakarana

Totoina amin'ny "Mixeur" miaraka ireo dia tsy ampiana rano fa amin'izao fotsiny.

Fihinanana azy

1 vera vao mifoha tsy mbola misakafo

Atao mandritra ny 3 andro tsy tapaka!
Ny Fomba fiasany Dia mivoaka manaraka ny pipi ilay vato !

dimanche 18 octobre 2020



VOANATSINDRANA na  Golden berries

Efa nihinana azy avokoa isika rehetra androany fantantsika hoe inona avy ny zava tsoa entiny :

1- Anti inflammatoire : indrindra hoan'ny olona marary vanin-taolana, manaintana ny vatana, misy hémorroïdes..

2- Anti-oxydant, anti cancer

3- Mampatanjaka ny taolana misy vitamine K

4- Mampatanjaka ny hery FIAROVANA misy vitamine C

5- Tsara hoan'ny maso misy vitamine A

6- Mampilamina tosi-dra

7- Mampilamina ny siramamy

 VOTSY

Misy votsy ve ianao sa misy namanao na havanao mety misy votsy? Tsy mifidy toerana izy fa misy azy avokoa fa ny tena fahita dia amin’ny tanana sy ny tongotra sy ny tarehy. Miteraka vetivety izy io ary tena manelongelina ny maso mahitsy.
Fantatro ary fa Virus izy io antsoina hoe Papilloma Virus Humain. Lazain’ny manam-pahaizana fa bénignes sy mifindra (contagieuses) izy io.
Indreto ary misy torohevitra hanampy anao hiady amin’ny votsy:

1. NY TONGOLO GASY

Fantaro fa ny tongolo gasy dia antibiôtika natoraly, antobactérien, antimycosique ary antiviral.
Noho izany dia manampy be amin’ny fanalana votsy izy.

Akora ilaina:

totona tongolo gasy, sparadrap

Fikarakarana:

rehefa voatoto ilay tongolo gasy dia osory ilay votsy ary fonosy sparadrap. Avelao eo mandritra ny alina. Ho hitanao fa hiala ho azy io votsy io. Atao mandritra ny 2 hatramin’ny 4 andro.

2. VOASARY MAKIRANA SY VINAIGITRA FOTSY

Voasana ny voasary makirana dia ny hodiny no alona amin’ny vinaigitra fotsy mandritra ny telo andro.
Alaivo ilay hoditr’ilay voasary makirana dia apetaho amin’ilay votsy.
Fonosy sparadrap dia ento matory mandritra ny alina.
Hiala ho azy ny votsy ny maraina na afaka 2 hatramin’ny 4 andro.

3. MENAKA KINANA NA HUILE DE RICIN

Asio menaka kinana ny votsy dia avelao eo mandritra ny alina.
Avereno ny ampitso alina sy ny afak’ampitso raha mbola tsy miala.
Manapotika ny votsy koa ny menaka kinana.

4. KARIBONETRA SY SIRA

Afangaroy ny sira sy karibônetra dia apetao amin’ny votsy amin’ny alina.
Fonosy sparadrap dia ento matory.
Ho hitanao fa hanjavona ny votsy




FOMBA TSOTRA NEFA MANDAITRA FAMONOANA IRENY KALALAO NA CAFARDS IRENY. 

ZAVATRA_ILAINA : 

 2 Sotrokely Kafe Karbonetra. 
 2 Sotrokely Kafe Siramamy.

FIKARAKARANA_AZY :

 Karibonetra 2 Sotrokely Kafe 
 Siramamy 2 Sotrokely Kafe 
Ampifangarohana  tsara izay vao azo ampiasaina.

FAMPIASANA_AZY : 

Araraka eny an-dakozia, amin'ny armoire eny amin'ny toerana ahitana azy ireo toy ny toerana mafana sy ny zavatra vita amin'ny kesika.

Tsy maintsy maty ireo Kalalao na Cafards izay mihinana ny fanafody natoraly ity.


Na Koa 


Akora ilaina

Ranon-tsavony fanasana loha

Vinaingitra

Menaka azo avy amin’ny zava-maniry

 

Fikarakarana

Afangaro ireo akora 3 ireo.

Rehefa mifangaro tsara dia alefa ao anaty tavoahangy plastika fanaovana an’ireny tsifitsifitra ireny

Tsifirina manerana ny efitrano rehetra izany, indrindra fa ireo ahiana ho lalovan’ny kadradraka.

Tsy misy atahorana mihitsy moa ity akora ity na atao ao amin’ny efitra fatoriana aza.


VOKATSOA HOENTIN'NY VOANA PAPAY:

 - MIARO NY VOA

Ny fihinanana ny voana papay dia manampy amin'ny fisorohana ireo mety ho aretin'ny voa, toy ny INSUFFISANCE RENALE. Afaka hitsaboana azy koa anefa raha sanatria ka efa voa. Hoan'ity tranga ity dia voalaza fa afaka mitsako voana papay miisa fito (7) isanandro, tsakoina tsirairay ka 7 paharivan'ny andro ary atelina .

 - MANADIO NY ATY:

 Taova isany manandanja indrindra amin'ny vatan'ny olombelona ny aty. Izy mantsy no manadio ny loto(toxines) rehetra mba hialana amin'ny aretina maro(mauvais gras,triglycéride, glycemie, allergies,asthme, sns....). Rehefa tsy manao ny asany tsara intsony ny aty vokatry ny hamaroan'ny loto(toxines) tafiditra ao amin'ny vatana dia tsy mahavita ny asany intsony ka mila diovina sy velomina(regéneré) indray. Raha olona voan'ny CIRRHOSE HÉPATIQUE, STEATOSE HEPATIQUE ohatra dia mitoto voana papay miisa dimy (5) ary afangaro amin'ny ranona voasarimakirana iray sotrokely.Sotroina indroa isan 'andro mandritry ny iray volana.

 - TSARA HOAN'NY FAHASALAMAN'NY TSINAY:

 Hamainina ny voana papay miisa 30 dia totoina ary Ampangotrahina amin'ny rano 1/2 litatra mandritry ny 10 mn ary mamina amin'ny tantely iray (1) sotro fihinanana dia sotroina intelo isan'andro mandritry ny 10 andro

. - MIARO NY TAOVAM - PANDEVONAN-KANINA

Mitsako voana papay miisa fito(7) intelo isan'andro mandritry ny dimy(5) andro.

mercredi 15 juillet 2020




Ireto avy indray no afaka hanasitranana ny Sinusite !

1- SAKAMALAHO 


         Totoina dia ny  ranony iny atao goutte 3 isaky ny lavak'orona indroa isanandro

2- KINININA FOTSY  na KININIMPOTSY

     Maka raviny 3 dia apangotrahina 10mn  miaraka amin'ny rano 150ml 
     Sotroina indroa isanandro
    ilay raviny mbola afaka ampangotrahina dia atao evoka

3- TONGOLO BE na OINION

    
    Totoina de apangotrahina 5mn
    Atao evoka
    Aveo sotroina 
    Afaka atao goutte ihany koa

4- VINAInGITRA PAOMA na VINAIGRE DE CIDRE


     Sotroina 1sotro kely atao intelo (3) insanandro  
     NA afangaro amin'ny TANTELY 1 sotro koa ny vinaigre paoma 2 sotro dia sotroina 3/jour

5-VOALOBOKA 


    Hoanina isanandro ra misy

6- TONGOLO GASY 


      Maka hasiny na sigana tongolo gasy 3 apangotrahina am rano 1 kopy
      Afaka asina tamotamo 1/2sotro ra misy dia sotroina isanandro
      Hoanina manta koa ny tongolo gasy no tena tsara fa maha maimbo vava

7- RANO SY SIRA 


      Afangaro amin'ny  rano matimaty dia trohana amin'ny orona dia ahisina avy eo hanadio ny ati-orona atao indroa (2) isanandro

8- RADIS (manala mycose)


      Tsakoina,alona anaty vava
      Na atao evoka ihany koa

9- NY FANDROANA AMINNNY RANO MAFANA IN-2/JOUR


10- MAKA LAMBA MADIO ALONA ANATY RANO MAMAY DIA APETAKA EO AO FARITRY NY ORONA 15mn atao matetika


11- RANOTSIRASY KARIBONETRA

      
       Rano 1kopy
      Sira 1/2sotrokely
      Karibonetra indray mitsongo
      Trohana dia ahisina atao in3/jour

12- Ny SOLILA 
(menthe) na THYM

       Atao evoka mandritra ny 3jour, ary atao in 2 isanandro

13- HYDROTHERAPIE PAR CONTRASTE (peta-gilasy moa zany)

        Alaina ny compresse mafana de apetaka eo am faritry ny orona 3mn
        Avy eo indray alaina ny compresse mangatsiaka de apetaka 1mn
        Dia ampifandimbiasina izay de atao in3/jour

14- GERANIUM (voninkazo io fa tsy haiko ny anarany amin'ny teny gasy)

          Atao evoka

15- CAYENNE (sakay lava io masiaka) 

        Maka 1sotro dia afangaro amin'ny rano 1kaopy raha  misy dia asiana dia sotroina 3/jour

16- ZAKARANDA

        Atao evoka na fohana amin'ny orona

17- RAVINA VOATABIA

        Totoina de atao goutte ny ranony

18- KAPILA(tafo) 


        Dorana miaraka amin'ny siramamy dia fohana amin'ny orona ny setroka

19- NY RANO


        Tena ilaina ny fisotroana rano 1litatra sy tapany isanandro

20- Ny sakafo misy VITAMINE A


       Ary ny fihinana tongolo gasy, poivre, sakay, tongolo be dia manasitrana ny sinusite ihany koa
Raha tsy voatsabo tsara ny Sinusite dia lasa aretina mitaiza, miverimberina



Ny rà dia mety ho "contaminé" amin'ny antony maro:
Amin'ny fidiran'ny poizina nohon'ny tsy fahatomombanan'ny taova mpanadio: "les reins", "le foie", ...
- Amin'ny alalan'ny sakafo be menaka loatra, misy poizina, be loto, ...
Rehefa tafiditra ao amin'ny vatana ny poizina sy ny fitambaran'ny loto dia miafara any amin'ny rà raha tsy voadio dia mety hampidi-doza.

ZAVATRA ILAINA:

- Persil fatorany iray (1) (un bouquet de persil)
- Vero manitra fatorany kely iray (1) (un bouquet de citronnelle)
- Citron maintso (mbola manta) roa (2)
- Rano roa (2) litatra

FIKARAKARANA AZY:

- Sasana madio tsara ny persil
- Sasana madio tsara ny vero manitra
- Silahana roa ny citron
- Mampangotraka rano roa litatra 2L
- Arotsaka ao anaty vilia jobo lehibe ny rano mangotraka, ny persil, ny citron, ny vero manitra.
- Avela hilona  ao mandritra ny 10 minitra (izany hoe tsy eo ambony afo intsony)
-Esorina ireo fangaro ka ny ranony sisa alaina

FIHINANANA AZY

- Misotro iray kopy (une tasse) ny maraina sy hariva alohan'ny misakafo

FANAMARIHANA

- Ho an'izay handio rà fotsiny dia mandritra ny herinandro iray no faharetan'ny  "traitement"
 ary misotro iray kopy ny maraina sy hariva alohan'ny sakafo

- Ho an'izay te hanena vatana sy hanala kibo be dia mandritra ny roa 2 herin'andro ny faharetany 
ary misotro iray kopy ny maraina sy atoandro ary ny hariva alohan'ny sakafo.

Raha nahasoa anao izany dia #Zarao fa mahasoa ny hafa koa...

Nalaina tao amin'ny page
© Nomenjanahary Lalaina (Ilay voa tsara nafafy Association) 11/08/2019 laharana faha 8521


Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)