mardi 20 octobre 2020


 FANTARO ARY FA NY ANANAMBO DIA AHITANA IREO :

Vitamine A, C, B2,B6.

Proteine.

Magnésium.

FANTARO IREO VOKA-TSOA AZO AVY AMIN'NY FIHINANANA MORINGA, ANANAMBO, FELIMORONGO :

1)Mafampy betsaka amin'ny fiasan'ny fo.

2)Anti-oxydant.

3)Anti-inflammatoires.

4)Manampy betsaka amin'ny fiasan'ny saina.

5)Mampidina tahan'ny siramamy anatin'ny rà ary tsara ho an'ny Diabètique.

6)Mampidina tahan'ny Cholestérol ihany koa.

FOMBA FAMPIASANA AZY :

Atao laoka na rô na kabaka sady mety afangaro hena na patsa sns...Ary mety atao jus natoraly ihany koa.

 





MANASITRANA NY CALCUL RÉNAL ARY MITSABO NY REIN IHANY KOA


Zavatra ilaina:

ovy singany iray
silaka mananasy

Fikarakarana

Totoina amin'ny "Mixeur" miaraka ireo dia tsy ampiana rano fa amin'izao fotsiny.

Fihinanana azy

1 vera vao mifoha tsy mbola misakafo

Atao mandritra ny 3 andro tsy tapaka!
Ny Fomba fiasany Dia mivoaka manaraka ny pipi ilay vato !

dimanche 18 octobre 2020



VOANATSINDRANA na  Golden berries

Efa nihinana azy avokoa isika rehetra androany fantantsika hoe inona avy ny zava tsoa entiny :

1- Anti inflammatoire : indrindra hoan'ny olona marary vanin-taolana, manaintana ny vatana, misy hémorroïdes..

2- Anti-oxydant, anti cancer

3- Mampatanjaka ny taolana misy vitamine K

4- Mampatanjaka ny hery FIAROVANA misy vitamine C

5- Tsara hoan'ny maso misy vitamine A

6- Mampilamina tosi-dra

7- Mampilamina ny siramamy

 VOTSY

Misy votsy ve ianao sa misy namanao na havanao mety misy votsy? Tsy mifidy toerana izy fa misy azy avokoa fa ny tena fahita dia amin’ny tanana sy ny tongotra sy ny tarehy. Miteraka vetivety izy io ary tena manelongelina ny maso mahitsy.
Fantatro ary fa Virus izy io antsoina hoe Papilloma Virus Humain. Lazain’ny manam-pahaizana fa bénignes sy mifindra (contagieuses) izy io.
Indreto ary misy torohevitra hanampy anao hiady amin’ny votsy:

1. NY TONGOLO GASY

Fantaro fa ny tongolo gasy dia antibiôtika natoraly, antobactérien, antimycosique ary antiviral.
Noho izany dia manampy be amin’ny fanalana votsy izy.

Akora ilaina:

totona tongolo gasy, sparadrap

Fikarakarana:

rehefa voatoto ilay tongolo gasy dia osory ilay votsy ary fonosy sparadrap. Avelao eo mandritra ny alina. Ho hitanao fa hiala ho azy io votsy io. Atao mandritra ny 2 hatramin’ny 4 andro.

2. VOASARY MAKIRANA SY VINAIGITRA FOTSY

Voasana ny voasary makirana dia ny hodiny no alona amin’ny vinaigitra fotsy mandritra ny telo andro.
Alaivo ilay hoditr’ilay voasary makirana dia apetaho amin’ilay votsy.
Fonosy sparadrap dia ento matory mandritra ny alina.
Hiala ho azy ny votsy ny maraina na afaka 2 hatramin’ny 4 andro.

3. MENAKA KINANA NA HUILE DE RICIN

Asio menaka kinana ny votsy dia avelao eo mandritra ny alina.
Avereno ny ampitso alina sy ny afak’ampitso raha mbola tsy miala.
Manapotika ny votsy koa ny menaka kinana.

4. KARIBONETRA SY SIRA

Afangaroy ny sira sy karibônetra dia apetao amin’ny votsy amin’ny alina.
Fonosy sparadrap dia ento matory.
Ho hitanao fa hanjavona ny votsy




FOMBA TSOTRA NEFA MANDAITRA FAMONOANA IRENY KALALAO NA CAFARDS IRENY. 

ZAVATRA_ILAINA : 

 2 Sotrokely Kafe Karbonetra. 
 2 Sotrokely Kafe Siramamy.

FIKARAKARANA_AZY :

 Karibonetra 2 Sotrokely Kafe 
 Siramamy 2 Sotrokely Kafe 
Ampifangarohana  tsara izay vao azo ampiasaina.

FAMPIASANA_AZY : 

Araraka eny an-dakozia, amin'ny armoire eny amin'ny toerana ahitana azy ireo toy ny toerana mafana sy ny zavatra vita amin'ny kesika.

Tsy maintsy maty ireo Kalalao na Cafards izay mihinana ny fanafody natoraly ity.


Na Koa 


Akora ilaina

Ranon-tsavony fanasana loha

Vinaingitra

Menaka azo avy amin’ny zava-maniry

 

Fikarakarana

Afangaro ireo akora 3 ireo.

Rehefa mifangaro tsara dia alefa ao anaty tavoahangy plastika fanaovana an’ireny tsifitsifitra ireny

Tsifirina manerana ny efitrano rehetra izany, indrindra fa ireo ahiana ho lalovan’ny kadradraka.

Tsy misy atahorana mihitsy moa ity akora ity na atao ao amin’ny efitra fatoriana aza.


VOKATSOA HOENTIN'NY VOANA PAPAY:

 - MIARO NY VOA

Ny fihinanana ny voana papay dia manampy amin'ny fisorohana ireo mety ho aretin'ny voa, toy ny INSUFFISANCE RENALE. Afaka hitsaboana azy koa anefa raha sanatria ka efa voa. Hoan'ity tranga ity dia voalaza fa afaka mitsako voana papay miisa fito (7) isanandro, tsakoina tsirairay ka 7 paharivan'ny andro ary atelina .

 - MANADIO NY ATY:

 Taova isany manandanja indrindra amin'ny vatan'ny olombelona ny aty. Izy mantsy no manadio ny loto(toxines) rehetra mba hialana amin'ny aretina maro(mauvais gras,triglycéride, glycemie, allergies,asthme, sns....). Rehefa tsy manao ny asany tsara intsony ny aty vokatry ny hamaroan'ny loto(toxines) tafiditra ao amin'ny vatana dia tsy mahavita ny asany intsony ka mila diovina sy velomina(regéneré) indray. Raha olona voan'ny CIRRHOSE HÉPATIQUE, STEATOSE HEPATIQUE ohatra dia mitoto voana papay miisa dimy (5) ary afangaro amin'ny ranona voasarimakirana iray sotrokely.Sotroina indroa isan 'andro mandritry ny iray volana.

 - TSARA HOAN'NY FAHASALAMAN'NY TSINAY:

 Hamainina ny voana papay miisa 30 dia totoina ary Ampangotrahina amin'ny rano 1/2 litatra mandritry ny 10 mn ary mamina amin'ny tantely iray (1) sotro fihinanana dia sotroina intelo isan'andro mandritry ny 10 andro

. - MIARO NY TAOVAM - PANDEVONAN-KANINA

Mitsako voana papay miisa fito(7) intelo isan'andro mandritry ny dimy(5) andro.

Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)