Ireto avy indray no afaka hanasitranana ny Sinusite !
1- SAKAMALAHO
Totoina dia ny ranony iny atao goutte 3 isaky ny lavak'orona indroa isanandro
2- KINININA FOTSY na KININIMPOTSY
Maka raviny 3 dia apangotrahina 10mn miaraka amin'ny rano 150ml
Sotroina indroa isanandro
ilay raviny mbola afaka ampangotrahina dia atao evoka
3- TONGOLO BE na OINION
Totoina de apangotrahina 5mn
Atao evoka
Aveo sotroina
Afaka atao goutte ihany koa
4- VINAInGITRA PAOMA na VINAIGRE DE CIDRE
Sotroina 1sotro kely atao intelo (3) insanandro
NA afangaro amin'ny TANTELY 1 sotro koa ny vinaigre paoma 2 sotro dia sotroina 3/jour
5-VOALOBOKA
Hoanina isanandro ra misy
6- TONGOLO GASY
Maka hasiny na sigana tongolo gasy 3 apangotrahina am rano 1 kopy
Afaka asina tamotamo 1/2sotro ra misy dia sotroina isanandro
Hoanina manta koa ny tongolo gasy no tena tsara fa maha maimbo vava
7- RANO SY SIRA
Afangaro amin'ny rano matimaty dia trohana amin'ny orona dia ahisina avy eo hanadio ny ati-orona atao indroa (2) isanandro
8- RADIS (manala mycose)
Tsakoina,alona anaty vava
Na atao evoka ihany koa
9- NY FANDROANA AMINNNY RANO MAFANA IN-2/JOUR
10- MAKA LAMBA MADIO ALONA ANATY RANO MAMAY DIA APETAKA EO AO FARITRY NY ORONA 15mn atao matetika
11- RANOTSIRASY KARIBONETRA
Rano 1kopy
Sira 1/2sotrokely
Karibonetra indray mitsongo
Trohana dia ahisina atao in3/jour
12- Ny SOLILA (menthe) na THYM
Atao evoka mandritra ny 3jour, ary atao in 2 isanandro
13- HYDROTHERAPIE PAR CONTRASTE (peta-gilasy moa zany)
Alaina ny compresse mafana de apetaka eo am faritry ny orona 3mn
Avy eo indray alaina ny compresse mangatsiaka de apetaka 1mn
Dia ampifandimbiasina izay de atao in3/jour
14- GERANIUM (voninkazo io fa tsy haiko ny anarany amin'ny teny gasy)
Atao evoka
15- CAYENNE (sakay lava io masiaka)
Maka 1sotro dia afangaro amin'ny rano 1kaopy raha misy dia asiana dia sotroina 3/jour
16- ZAKARANDA
Atao evoka na fohana amin'ny orona
17- RAVINA VOATABIA
Totoina de atao goutte ny ranony
18- KAPILA(tafo)
Dorana miaraka amin'ny siramamy dia fohana amin'ny orona ny setroka
19- NY RANO
Tena ilaina ny fisotroana rano 1litatra sy tapany isanandro
20- Ny sakafo misy VITAMINE A
Ary ny fihinana tongolo gasy, poivre, sakay, tongolo be dia manasitrana ny sinusite ihany koa
Raha tsy voatsabo tsara ny Sinusite dia lasa aretina mitaiza, miverimberina
0 commentaires:
Enregistrer un commentaire