dimanche 18 octobre 2020

 VOTSY

Misy votsy ve ianao sa misy namanao na havanao mety misy votsy? Tsy mifidy toerana izy fa misy azy avokoa fa ny tena fahita dia amin’ny tanana sy ny tongotra sy ny tarehy. Miteraka vetivety izy io ary tena manelongelina ny maso mahitsy.
Fantatro ary fa Virus izy io antsoina hoe Papilloma Virus Humain. Lazain’ny manam-pahaizana fa bénignes sy mifindra (contagieuses) izy io.
Indreto ary misy torohevitra hanampy anao hiady amin’ny votsy:

1. NY TONGOLO GASY

Fantaro fa ny tongolo gasy dia antibiôtika natoraly, antobactérien, antimycosique ary antiviral.
Noho izany dia manampy be amin’ny fanalana votsy izy.

Akora ilaina:

totona tongolo gasy, sparadrap

Fikarakarana:

rehefa voatoto ilay tongolo gasy dia osory ilay votsy ary fonosy sparadrap. Avelao eo mandritra ny alina. Ho hitanao fa hiala ho azy io votsy io. Atao mandritra ny 2 hatramin’ny 4 andro.

2. VOASARY MAKIRANA SY VINAIGITRA FOTSY

Voasana ny voasary makirana dia ny hodiny no alona amin’ny vinaigitra fotsy mandritra ny telo andro.
Alaivo ilay hoditr’ilay voasary makirana dia apetaho amin’ilay votsy.
Fonosy sparadrap dia ento matory mandritra ny alina.
Hiala ho azy ny votsy ny maraina na afaka 2 hatramin’ny 4 andro.

3. MENAKA KINANA NA HUILE DE RICIN

Asio menaka kinana ny votsy dia avelao eo mandritra ny alina.
Avereno ny ampitso alina sy ny afak’ampitso raha mbola tsy miala.
Manapotika ny votsy koa ny menaka kinana.

4. KARIBONETRA SY SIRA

Afangaroy ny sira sy karibônetra dia apetao amin’ny votsy amin’ny alina.
Fonosy sparadrap dia ento matory.
Ho hitanao fa hanjavona ny votsy

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire

Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)