mercredi 7 décembre 2016

Ny vokatsoa azo avy amin'ny "navet"


  • Manankarena "vitamine C" tokoa ny raviny,ary tsara ho an'ny olona tsy ampy vitamina 

  • Be otrik'aina

Tsara  ho an'ny olona tsy ampy rà


Mahatsara ny fandevon-kanina sy ny tsinay


Miaro amin'ny homamiadana indrindra ny homamiadan'ny vavony


Manasitrana kohoka haingana be sy ny tenda mangetana


  • Alona amin'ny siramamy
  • Sotroina maraina,antoandro,hariva .


Tsara ho an'ny olona mikohaka tsy mijanona sy marary tratra.


  • "Navet" sahabo 200g
  • Sasana madio tsara,
  • Voasana,tetehina ary 
  • Ampagotrahina amin'ny rano atsasa litatra mandritra ny 10mn
  • Avela mangatsiaka ,
  • Sotroina avy hatrany 


Mety ho an'ny olona manahia tena ihany koa, satria manala tavy ao anaty.



  • Mahafaka ireny fery amin'ny vatana vokatry ny kaikitry ny bibikely ireny
  • Maka navet,
  • Sasana tsara
  • Tetehina 
  • Lomana vinaingitra mandritra ny 6 ora
  • Ary hoanina avy hatrany.



Ireo sakafo tsara hohanina matetika mba hanampy ny aty


-Ny tongolo gasy 

Mampihena ny menaka ratsy izy io. Misy ilay singa « allicine » sy « sélénium » izay manana fahafana miaro ny aty amin’ny voka-dratsin’ny poizina.

-Ny papelimosy 

Mamono ny singa mety mahavoa ny homamiadana sady mamono ny poizina ao amin’ny aty ny ranona papelimosy. Misy singa antsoina hoe « naringénine » ao anatiny, izay manampy ny aty amin’ny fandoroana ny menaka tafiditra ao anaty.

-Ny karaoty 

Feno « glutathion » ity legioma ity. Tsara hanina manta, indrindra raha ampiarahina amin’ny motarda.

-Ny dite maitso 

Misy singa antsoina hoe « catéchine », izay manakana ny fanangonan'ny vatana menaka ao amin’ny aty. Tokony hisotro dite maitso in-telo isan’andro mba hahazo ireo tombontsoa entiny.

-Ny zavoka 

Feno « glutathion » ihany koa izy ity. Manampy ny aty hiasa tsara sady manadio ny vatana amin’ny poizina ihany koa. Na dia mihinana zavoka iray na roa isan-kerinandro fotsiny aza mandritra ny 1 volana, dia hahita vokatra tsara.

-Ny tamotamo 

Manampy ny vatana handevona ny menaka sady mamporisika ny aty hamokatra ranon’afero tsara ny tamotamo. Sakafo matanjaka amin’ny fanadiovana ny ao anaty izy ity.Manasitrana ny sela marary.

Toerana ahitana azy anosy ampitan'ny instat na eny alohan'ny carlton amin'ny sisindalana na koa any amin'ny petite vitesse


Vonenina "Pervenche"

Misy Fotsy ary misy Mavokely


Mitsabo Aretina maro any anaty indrindra ny aretim-bavony ny fotsy amin'izy io.

Mampangotraka rano 2litatra

Maka 1Tanana an'ila 
Afaka atambatra na felany, Raviny, tahony, na fakany
Mety foana na lena na maina izy, izany hoe afaka maka misimisy rehefa mahita dia tahirizina
Esorina ambony Fatana
Arotsaka ary saronana hilona 
Afaka tehirizina izay tsy lany
Misotro 1 Vera maraina vao mifoha
Na salama tsy marofy aza mety foana



Laisoa mena

-ahitana vitamine c,k,ary kalsioma ,sira mineraly sy be otrik'aina
-mahatsara ny fandevonan-kanina ,tsinay
-manamafy ny taolana
-manafaka ny fanaintainan'ny vanin-taolana
-mandamina ny tosi-dra
-manadio ny ao anaty
-mahatsara ny fo
-manala kankana
-tsara ho an'ny olona marary ny diabeta
raha ivelany kosa:
atao "cataplasme",manafaka aretin'andoha(apetraka eo @ faritra marary),manasitrana ny fery,manpiena ny fanaintainan'ny "rhumatisme",sy ny vanin-taolana;sciatique(maka ravina laisoa dia apetaka eo @ faritra marary.
sary nindramina 

Tsy dia mbola nahita izy ity teny antsena aho fa raha misy mahita ianareo dia afaka apetaka eo amin'ny "commentaire eo ambany ny toerana mba hahamora ny fitadiavana azy raha sendra misy mila azy.
Manasitrana homamiadana rehetra (raha ny filazan'ireo nizara sy efa nampiasa azy)

Ampangotrahina rano 1 litatra
Maka fakany 3 na 4 efa voasasa
Alona mandritra ny 5 minitra ao anatin' ilay rano mangotraka
Misotro 1 kaopy isa-maraina tsy tapaka, atao ohatra ny dité izany izy.
Atao mandritra ny 1 hatramin'ny 4 herinandro

Telo andro dia misy vokatra ary misy aza afaka tanteraka ao anatin'ny fotoana fohy, herinandro, iray volana.


sary nindramina

Betsaka ny toerana ahitana azy vao mivoaka kely  ny renivohitra, tsara kokoa raha maka ny any ambanivolo satria ny andrenivohitra tsy dia madio.
Afaka jerenareo eo amin'ny zaridaina ampefiloha amin'ny FIARO ny paozin'izy io.
Ao amin'ny mpivarotra tapakazo ao amin'ny Petite vitesse koa mety ahitana azy.

Nandefa : facebook Ny Andriana Marina

Zaza mikohoka


Voatabia sy tantely mixena


  • Maka voatabia iray
  • Tantely iray sotro lehibe
  • Mixena amin'ny "robot"
  • Asaina laniany
  • Hivoaka any amin'ny maloto ny rehoka
Tsy atao isanandro fa elanelanina
Tsirony: mamy

Tantely sy voasary makirana

Voarasy makirana iray potsehina hivoaka ny ranony
Tantely iray sotro fihinanan-kanina
Afangaro, asaina laniany

afaka atao matetika
Tsirony : mamy marikivy kely

Tongolo be sy tongolo gasy asiana tantely

Toro-hevitra hita ihany koa izy ity fa saingy tsy mbola tena nazava tsara ny fanaovana azy sy ny fatrany

Fikarakarana ny olona sempotra lava, mora sempotra na maneno tratra

  • Mividy bitro voalavo
  • Atao rony
  • Sotroina izay lany amin io rony io
Afaka atao isaky ny te hanao azy, ny henany avy eo azo endasina atao loaka ihinana vary
sary nindramina

Toerana ahitana azy: any amin'ny mpiompy na eny isotry ao amin'ny tsenabe

Afaka ahitana azy koa ao amin'ny groupe facebook: malagasy miompy bitro vidiny manodidina ny 3000Ar.
Tsirony :: somary ratsy

Fitsaboana  ny marary kibo mivalana

Ravina tanamasoandro na "tournesol" singany iray


  • Ampangotrahina ny rano 
  • Maka iray vera (efa mangotraka)
  • Alona ao ny ravina iray, raviny fa tsy ilay voninkazo, tsy atao ela be fa manjary mangidy be tsy laitra sotroina.
  • Io no sotroina fa hijanona eo no ho eo ny fivalànana.
Sarotra hita fa betsaka koa anefa mamboly azy an-jaridaina
sary nindramina

Jus Garana

  • Maka Jus garana iray vera ( na glacé aza tsy mety)
  • Atao be siramamy 
  • Sotroina avy hatrany

Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)