mardi 29 novembre 2016


Ny " ARTEMISIA ANNUA", na ZAHANA na SARIJAMALA na RONGONIM-BAZAHA dia zavamaniry manasitrana tanteraka ny " paludisme" indrindra ireo miseho amin'ny endrika tena sarotra sy mafy tsaboina toy ny " plasmodium falciparum ".

Tsy izay ihany anefa no sitran'ny "Artemisia annua " fa ny homamiadana (cancer ) dia tena sitrany tanteraka satria ny fampiarahana azy amin'ny " Fer " dia mamono ny 98% ny sela marary " cellules cancéreuses" ao anatin'ny 48h monja. 
 Ranon'anandrano na laitue 1/8 ny vera no akàna ilay "Fer"

FOMBA FAMPIASA AZY


 " PALUDISME " : 

Amin'ny fotoana hisian'ny fanaviana dia:

Atao tambavy :
  • Ampangotrahina ny rano 1l arotsaka ny raviny maina eo amin'ny 10 grama eo  
  • Avela hitanika kelikely 
  • Atao rano fisotro tontolo andro mandritra ny 5 andro. zany hoe [ 1l/jr x 5jrs]


HOMAMIADANA " CANCER "


Anisany tena sitran'izy ity ny homamiadan'ny avokavoka, nono, vavony ankoatran'ireo hafa tsy voalaza eto.
Tsy miova fa araka ny voalaza:

Mampangotraka rano 1/2l 

  • Esorina eo am-patana ary asiana raviny aman-tahony 10sm
  • Saromana tsara ( infusion)
  • Avela hangatsiaka  
  • Atao izay ahazoana ranon'anandrano na laitue 1/8 ny vera ary ampiarahina aminy
  • Sotroina 45min alohan'ny sakafo maraina


Asa raha efa misy " gélule " izy io eto amintsika ( homeopharma) fa raha misy dia
toy izao no fihinana azy:

- 1 " gélule à 500 mg " maraina sy hariva samy 15 minitra  alohan'ny sakafo ireo
+ pilina vy mora levonina " FER ASSIMILABLE "(tsy maintsy ampiarahana ireo ) fa anao ny safidy :
na: * FERALIM – 1 dose 15 minitra  alohan'ny sakafo
na: * FUMAFER " boite de 100"– 3 pilina
na: * FER OLIGO – 1 sarony "bouchon doseur " ohanina vao mifoha aha- mora ny fandevonana azy.
> Samy vidiana eny amin'ny farmasia ireo ( safidy hoy aho fa tsy izy 3 ireo akory indray vidiana daholo a! :) )

>>> Raha tsy mahavita ilay ranona anandrano dia afaka hitelomana ny pilina amin'ny fotoanany ny tambavy
Faharetan'ny fitsaboana dia tsara ny manao fitiliana ao aorinan'ny herin'andro nitsaboana.
Hoan'ireo efa misy fery ivelany dia diovy amin'ny ditina vahona matetika ny fery , in-3 farafahakeliny na koa diovina amin'ny ranom-bolafotsy " argent colloïdale" .
Izay ary no azoko zaraina fa dia mirary soa sy fahasitranana hoan'ny marary e! :)





Torohay nalaina tao amin'ny "Groupe Facebook :Fitsaboana ady gasy sy dokotera"
Nandefa: Marynah Tsimatyh                                                                                                                                                                                                                                               

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire

Isan'ny Pejy nisy nijery

Mpikambana

Labels

tongolo gasy (5) aty (3) fitsaboana (3) homamiadana (3) kohoka (3) papay (3) tongolo lay (3) vavony (3) Karaoty (2) aretim-po (2) cancer (2) tsinay (2) vitamine c (2) voa (2) voatabia (2) Kista (1) akondro (1) anti_oxydant fo (1) aretin'andoha (1) aretin'tratra (1) artemisia annua (1) atody (1) avokavoka (1) avy amin'ny firaisana (1) beroberoka (1) bitro (1) bitro voalavo (1) cafard kadradraka (1) cafe (1) calcul renal (1) cholesterol (1) citron (1) citrouille (1) diabeta (1) diabètique (1) dité maitso (1) fary fotsy (1) fer (1) fivaviana (1) fo (1) garana (1) hemoroide (1) infection vaginale (1) jean robert (1) kafe (1) kibo (1) laisoa (1) laisoa mena (1) laitue (1) mahabibo (1) manena (1) mangidihidy (1) nono (1) ovy (1) palludisme (1) palpitation (1) pampilemosy (1) persil citron (1) perte (1) pervenche (1) pilo kely (1) pissenlit (1) raketa (1) rano (1) rano amin'ny fo (1) ranovisy (1) ravina laisoa (1) ravina papay (1) rhumatisme (1) romarin (1) ronono soja (1) sciatique (1) sempotra (1) sinusite (1) tamotamo (1) tanamasoandro (1) tantely (1) tavy (1) tension (1) thym (1) tongolo be (1) tongolo be tongolo lay (1) torimaso (1) tosi-drà (1) tournesol (1) tranon-jaza (1) tsiranoka (1) tsy fahampian-drà (1) vanin-taolana (1) vatana (1) vato rein calcul (1) vehivavy (1) veromanitra (1) voanatsindrana hery fiarovana cancer tosidrà (1) voasary makirana (1) voatavo (1) vonenina fotsy (1) vonenina mavokely (1) votsy tongolo gasy citron menaka ricin karibonetra vinaigre (1) zavoka (1)